LaDissertation.com - Dissertations, fiches de lectures, exemples du BAC
Recherche

L'inception

Fiche : L'inception. Recherche parmi 300 000+ dissertations

Par   •  21 Octobre 2016  •  Fiche  •  7 783 Mots (32 Pages)  •  971 Vues

Page 1 sur 32

FANOROAM-PEJY

TENY FISAORANA        1

TENY MIALOHA        2

TOKO I: NY FIANGONANA ETO MADAGASIKARA        3

1.1 Ny Nidiran’ny Fiangonana Teto Madagasikara        3

11.1 Fitarihan-Teny        3

11.2 Ny Fifampikasohana Tamin’ny Eropeana        3

TOKO II: IREO MISIONA SAMIHAFA TONGA TETO MADAGASIKARA

2.1 Ny (london missionary society) lms        4

2.2 Ny fiangonana tao anatin’ny fanenjehana (1835-1861)        8

2.3 Ny LMS taorian’ny fanenjehana        11

2.4 Ny vanim-potoanan’ny Rebikomby        12

2.5 Ireo Misiona samihafa tonga teto taorian’ny fanenjehana        14

TOKO III : EZAKA HO AMIN’NY FAMPIRAISANA        25

3.1 Ny fiandohan’ny fiaraha-miasa        25

3.2 Ny konferansa intermisionera        27

32.1Ny konferansa intermisionera voalohany        27

32.2 Ny konferansa intermisionera faharoa        28

32.3 Ny konferansa intermisionera fahatelo        28

32.4 Ny konferansa intermisionera fahaefatra        28

32.5 Ny konferansa intermisionera fahadimy        29

32.6 Ny konferansa intermisionera fahaenina        29

32.7 Ny konferansa intermisionera fahafito        30

32.8 Ny konferansa intermisionera fahavalo        31

32.9 Ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara        31

FAMINTINANA        32

BOKY NANOVOZAN-KEVITRA        33

FANOROAM-PEJY        36

 

36

TENY FISAORANA

Eto am-piandohana dia raisiko ho fifaliana lehibe ho ahy ny misaotra an’Andriamanitra Raintsika amin’ny alalan’I Jesoa Kristy noho ny fitahiany sy ny fivimbinany ahy tamin’ny famoahana ity tantaran’ny Fiangonana eto Madagasikara ity ho boky.

Tsy haiko koa anefa ny tsy hisaotra manokana ireo: Ray aman-dreny sy havana aman-tsakaiza izay nanampy ahy tamin’ny fanovozan-kevitra natao, dia ny Pasteur Raveloarison Georges mpampianatra taranja tantara tao amin’ny Faculté de Théologie Protestante Ambatonakanga, ireo tompon’andraikitra ny Arisiva FJKM Faravohitra, ary ny tao amin’ny Akademia Malagasy.

Ary ny farany, kanefa tsy kely indrindra dia Andriamatoa Randriamitantsoa Manitra Sata Harivony, filohan’ny STK eto amin’ny FJKM Mahatsinjo - Fiorenana izay nanome tanana tamin’ny alalan’ny solosaina (ordinateur) sy ny vady aman-janako nanampy ara-bola sy nitrotro am-bavaka ho amin’ny famitana ny boky. Ho aminareo maraina sy hariva anie ny fahasoavan’I Jesoa Kristy Tompontsika, ary ho an’Ilay Andriamanitra Telo Izay Iray anie ny saotra sy ny Voninahitra tsy manam-pahataperana.

1

TENY MIALOHA

Ry mpamaky, tsy vitsy amintsika izay mpankafy tantara no mahalala fa efa maro tokoa ireo nanoratra momba ny tantaran’ny fiangonana eto Madagasikara. Isaorantsika mandrakariva anie ny Tompo Jesoa amin’izany rehetra izany; satria manome olona hiasa sy nahafoy tena hizara ny harem-pasoavany ho an’ny Fiangonana isika.

Ary amin’izao vanim-potoana fivoaran’ny teknolojia maneran-tany izao dia efa betsaka ireo tia tantara no tsy mihanina fotsiny amin’ny famakiam-boky fa mbola mijery ny “Internet” ihany koa. Tena mahavelom-bolo tokoa izany toe-tsaina tia karokaroka izany raha amin’ny lafiny tantara no lazaina. Kanefa, noho ny tsy fahafahan’ny maro manao izany, no anoloranay ity boky ity mba hanampy ireo Kristiana sy ireo mpianatra ho Katekista, Mpitoriteny, ary Mpiandry amin’ny sehatra fanomanana laika “SEFALA”, indrindra fa ho antsika izay any amin’ny toerana lavitra tsy misy tranom-boky sy toerana ahafahana mijery “Internet”. Araka izany, tsy fantiantoka velively ho antsika ny hananana ity boky mirakitra ny tantaram-piangonana eto Madagasikara ity izay hanampy antsika hahafantatra bebe kokoa ny lalana nizoran’ny Fiangonana hatrany am-piandohana ka hatramin’ny taona 1980. Dia maniry fahombiazana tanteraka ho anareo mpamaky ny mpanoratra.

2


  • GALLEY « Tantaran’Andriana ». edition trano printy Antananarivo, tome I 1981.
  • JONES D.O  “Ny LMS 1795 – 1845” imp. Imarivolanitra 1945
  • LAUGA ET KRUGER. “ La liberté religieuse à Madagascar”. Edition maison de mission evangelique Paris 1897.
  • MOLET Louis. « La conception Malgache des mondes surnaturel  et l’homme en Imerina ». Harimattan tome I. Paris 1979.
  • MONDAIN Gustave : « Un sciecle de la mission Protestante à Madagascar » edition societé des mission evangelique. Paris 1920
  • MONDAIN Gustave : «  Angoisse et délivrance, courte histoire du Christianisme à Madagascar ». Paris 1926

35

  • RABARY: “Ny maritiora Malagasy” Imp. Loterana 1957
  • RABEMANAHAKA J. Williberton: “Tapakazo iray ihany”.
  • RAMAMBASOA Joseph: “Tantaran’ny Fiangonana”. Edition Salohy. 1964.
  • RANDRIAMANDROSO Edmond: “ Tantaran’ny Fiangonana Loterana Malagasy”. Imp fampielezana ny literatiora Loterana. Antananarivo 1985.
  • RASOANASY Jeanne: “Ny lasan’ny Madagasikara”. Trano printy Loterana Antananarivo 1976.
  • R. Noeline “Soatanana sy ny Riba Fifohazana”. Université d’Antananarivo.
  • RAZOHARINORO R. “ Soratra Vavolombelona”. Boky I, Fianarantsoa 1972.
  • ROUIRE: « La mission Protestante et Catholique à Madagascar. » maison des missions Paris 1895
  • SMITH  J.G : «  Les triomphes des Mrtyrs Malgache » edition Europress 1987.

GAZETY SAMIHAFA

  • NY TENY SOA . LMS sy FFMA.
  • OMALY SY ANIO;
  • Document LMS, N° 23, 1896
  • Journal de Mission Evangelique de Paris. «  La question Scolaire et religieuse à Madagascar ». N°110, 1898

34

TOKO I : NY FIANGONANA ETO MADAGASIKARA

  1. NY NIDIRAN’NY FIANGONANA TETO MADAGASIKARA

            11.1 Fitarihan-teny

Efa ela tokoa ny Malagasy no efa nahalala ny amin’ny fivavahana. Ary efa nanana izay noheveriny ho Andriamanitra izy tamin’izany. Ny fifanerasaran’ny Malagasy tamin’ny Arabo koa, dia namela marika teo amin’ny fivavahana Malagasy toy ny fanandroana: araka ny lovan-tsofina raha tonga teto ny Arabo tamin’ny andron’I Andrianampoinimerina dia nampianatra ireo tanora Malagasy vitsivitsy tao anatirova, ka anisan’ny mpianatr’izy ireo Radama I izay nampianariny momba ny Sorabe Arabo.

...

Télécharger au format  txt (54.8 Kb)   pdf (347.2 Kb)   docx (776.1 Kb)  
Voir 31 pages de plus »
Uniquement disponible sur LaDissertation.com