LaDissertation.com - Dissertations, fiches de lectures, exemples du BAC
Recherche

Apiculture à Marofarihy Manakara Madagasikara

Mémoire : Apiculture à Marofarihy Manakara Madagasikara. Recherche parmi 299 000+ dissertations

Par   •  17 Novembre 2017  •  Mémoire  •  43 416 Mots (174 Pages)  •  885 Vues

Page 1 sur 174

[pic 1]

UNIVERSITE DE TOLIARA[pic 2]

------------------------

DOMAINE ARTS, LETTRES, SCIENCES HUMAINES ET SOCIALES

------------------------

MENTION LANGUE ET LETTRES MALGACHES

------------------------

PARCOURS:  ANTHROPOLOGIE 

NY FIOMPIANA TANTELY ANTEMORO AO MAROFARIHY

Mémoire de Maîtrise ès Lettres,

Présenté par ZOMA RASOANATOANDRO Lucile  

Sous la direction de BEHARIVA DE MOUSSA Aurélien,

 Maître de conférences

Année universitaire 2015-2016

NY FIOMPIANA TANTELY ANTEMORO AO MAROFARIHY


BIBLIOGRAPHIE


  • I.-Famaritana ny toerana anaovana fanadihadiana

FIZARANA VOALOHANY

Famaritana ny toerana nanaovana ny fanadihadiana momba ny tantely amin’ny lafiny ara-jeografia sy ara-tantara ary ara-piarahamonina.

FAMARITANA ARA-GEOGRAFIA

Manana ny toe-tany sy toe-trandro ary ny renirano mampiavaka an’I Marofarihy izay ao anatin’I faritra vatovavy fito vinagny.

NY TOETRANDRO

Anisany faritra mafana no sady be orana ny faritr’I Marofarihy izany hoe ny ato amin’ny faritra vatovavy fito vinagny mihintsy.Dia isaky ny volana jiana ihany vao mangatsiaka.Mafana no sady be orana izy satria nohony fananan’ny ala maro smihafa sy ny fananana zava-maniry ary ireo karazana voly fanondrana maro samihafa.Izay saika hita mandrakotra ny Tanana.

Toerana mandrivotra izy satria mahazo rivotra avy any amin’ny ranomasina ary manana rivotra mitsoka miankadrefana avy any amin’ny ranomasina an’ka voasakan’ny tandavan-tendrombohitra ka lasa orana izay mametra ny fotoana fambolena.Fa raha tsy misy kosa ny rivotra indraindray dia lasa mogodona ny andro.Araka ny nambaran’I Glbert Rasolonjatovo manao hoe: “Faritra mafana no be orana ny faritra antemoro noho ny rivotra alijé miala avy any amin’ny ranomasina miditra aty an-tanety ka mitsoka miankandrefana ka voasakan’ny tandavan-ala(tendrombohitra)ka lasa orana”.

Ny fitambaran’ny rivotra sy ny ala no mahantonga ny filatrahan’ny orana any amin’ny faritr’I Marofarihy satria saika ala avokoa no hita manodidina sy mandrakotra ny Tanana.Ary io orana io ihany koa no miantoka ny fambolen’ny mponina any an-toera.Izay afahan’izireo mifidy ny volana hanaovana ny asam-pambolena toy ny fambolena vary izay mila fotoana ny fanaovana azy fa tsy ataotao foana.

Saika  andro maina sy mafana ny volana septambra sy janoary,mahatratra eo amin’ny 20°C hatramin’ny 30°C ny ambony indrindra.Ary rehefa amin’ny fotoana mangatsiaka aminy volana Mey,Mahatratra 16°C hatramin’ny 18°C ny ambany indrindra.Orana kosa ny volana Oktobra sy Avrily.Ny orana dia ilaina amin’ny fambolena nefa noho ny fiovaovany toetrandro izay miteraka ny filatrahan’ny Orana betraka dia misy fiatraikany amin’ny fambolena eo amin’ny fahakelezan’ny voa sy ny vokata azo. Ka antin’ny 180 andro dia mahatratra 2,5m ny haavon’ny ranonorana ny fiovaovan’ny andro no mahatonga izany araka ny         Hubert Deschamps et Viannes manao hoe:mafana sy mangatsiaka,maiana sy be orana.

“ le climat et chaud,le vent alijé viennt se heurtes à la falaise provoquant precipitations nombreuses 2,5m de pluie en 180j. Avec minimum entre septembre et decembre de la saisons des pluies proprement dite est comprise entre décembre et mai»

Faritra mafana sy manana rivotra mitroka miakandrefana ka voasakan’ny tandavam-tendrombohitra ka lasa orana,saika andro maina sy mangatsiaka ny volana May sy Desambra.

Hita amin’izany fa anelanelany volana desambra sy Marsa no tena fotoana mahabe ny orana.Izay mahantonga ny Tanana ho feno rano satria toerana iva no mora azon-drano. Amin’io ihany koa ny fotoana fandalovan’ny rivo-doza (cyclone) izay fahita matetika aty amin’ny faritra ity. Ary isantaona dia misy foana ny rivotra maheryizay mitondra oram-be araka ny nambaran’i HERINIANITRA Bienvenue monina ao Marofarihy manao hoe:

        « Da tsy mifidy taony izy io rehefa avy da avy ary da tsimaintsy an-dalovany rivo-doza avao isan-taona. Ary da matetika amin’ñy volana janoary sy Marsa iñy no fandalovany.”

Azo ambara amin’izany fa eo anelanelan’ny volana desambra sy ny volana Marsa iny no fotoana maha be ny orana sady mampisy ny rivo-doza.

NY TOE-TANY

Faritra ahitana toe-tany miavaka ny toerana ato Marofarihy satria toe-tany hita ao dia lemaka avokoa tsy dia misy tendrom-bohitra firy fa farihy avokoa ny akamaroany any. Eo amin’ny 85% dia lemaka avokoa fa ny 15 ihany no mba ahitana torana avo kely.Toerana maro anjon-drano amin’ny maha toerana iva azy nefa afaka ham-bolena trara satria izy toarana mamokatra.izay maro ny fambolena azo atao amininy toy ny fambolena vary,akondro,letchi,frapay(frapin),apaly. Ary dia tsimila mampiasa zezika ny olona dia mitsiry ihany ny voly atao.Fa ny fambolem-bary ihany no ampiasana zezika toin’ny zezim-pahitra izay ho zezika avy amin’ny biby fiompy,ohatra amin’izany ny zezika tain-omby.araka ny nambaran’I HERINIANITRA Bienvenue adjoint au Maire ao  Marofarihy manao hoe:

“ñy toetany a Marofarihy ato da plat avokoa tsy ahitana tendrom-bohitra maro fa da kelikely avao da ñ’alakamisy sy ñ’ambotaka avao ny misy vohitra kely.Sady da mamokatry ny tany amin’azy da tsy mila zezika fa da mitsiry avao ny fambolena.Fa ñy vary avao ñ’asiana zezika tain’omby”.

Hita arak’izany fa miavaka amin’ny faritra hafa ny faritr’I Marofarihy raha raha eo amin’ny lafiny toe-tany no jerena araka ny voalaza teo aloha. Mety amin’ny mponina tsara ajany satria ahafahan’izireo mamokatra tsara amin’ny alalan’ny fambolena.


NY RENIRANO

Faritra manana Renirano  sy be farihy bity faritra ity izay miantoka ny fianan’ny mponina ao an-toerana.Raha ts’ilazana fotsiny eo amin’ny rano fisotso sy ny rano hambolena. Misy ny renirano atao hoe Mananano (Managnano) izay enirano avy andrefana miantsinanana mandeha any amin’ny ranomasina. Ao ihany koa ny faritra izay mampiavaka an’io toerana io satsia ny 75 isan-jato dia farihy avokoa. Ary ny farany dia ireo karazana dobo maro samihafa toy ny Anamba,        ary ny dobo-tasy.

        Raha eo aminy resaka ny Renirano “Managnano” no resahina dia sahala aminy zavatra rehtra manana ny tantarany izy io. Ka ao anatin’izany  no hijerena ny lalana sy ny toerana izay handalovany,Ny mahantonga ny anarana ary ny tsiambaratelony (Ny Hasiny).

...

Télécharger au format  txt (278.5 Kb)   pdf (1.4 Mb)   docx (1.1 Mb)  
Voir 173 pages de plus »
Uniquement disponible sur LaDissertation.com